Mahamasina : efa nalain-dreniny teny amin’ny polisy ireo zaza very

Taorian’ilay zaza very na­naovana antso avo tao amin’ny Kianja Barea Maha­ma­sina, ankizy efatra indray koa no nilaozan’ny mpiara-dia ta­min’ izy ireo. Natolotra ny po­lisy misahana ny ankizy tsy ampy taona (PMPM) ry zarao ka na­naovana antso avo tamin’izay ray aman-dreniny. Ton­ga naka ny zanany teny amin’ny polisy PMPM ny fianakavian’ireo ankizy rehefa nahita ny fampahafantarana nataon’ny polisy. Nisy ny torolalana sy ny anatra nomen’ny polisy amin’ny tokony hitazonana tsara ny ankizy rehefa manatrika lanonana toy izao indrindra rehefa vory vahoaka. Nifani­tsa-kitro tanteraka ny olona nandritra ity lanonana teny Mahamasina ity. Nilaza ny ray aman-drenin’ireo ankizy fa tafasaraka taminy ny ankizy. Noho ny hamaroan’ny olona anefa tsy hita izay nanjavonany. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana rehefa misy fety mahavory lanona olona marobe toy izao rehefa mitondra an­kizy.

Jean Claude

Partager sur: