Vita izay ny fetibe « Barea ». Miverina amin’ny rotorotom-piainana ny vahoaka malagasy. Ady sy tolona ilay vidim-piainana. Efa tafakatra 3500 Ar ny kilaom-bary, voatabia iray aza moa vidiana 500 Ar ! Santionany ireo fa mila mijery akaiky ny zava-misy isika mianakavy. Tsy hiandrasana ny mpitondra fanjakana, izay sahirana amin’ny tontolo politika hatramin’izao. Sahiran-tsaina amin’ny fanomanana ny fifidianana sy ny ho enti-manana. Tsy misy fahagagana izany mihitsy aloha, fa tsy maintsy vonjy rano vaky sy ny hamehana no miainga eo. Raha fehezina ny zava-miseho eto amin’ny firenena, sady kofona no sempotra isika mianakavy, na ara-kevitra na ara-bakiteny no handikana azy.
Raha minomino foana, hilaza fa voaozona ny malagasy. Raha hijery amin’ny solomaso miiba dia hoe tsy avotra intsony. Diso tanteraka anefa izany, indrindra fa maro ny herijika sy ny hirika ahafahana mivelatra. Indrokely, isika malagasy mihitsy no mamery hasina ilay tanindrazana, ilay tanin-janaka. Taiza teto Madagasikara no misy lanonam-panjakana, natrehan’ny filoham-pirenena, ka tsy voahomana ny hiram-pirenena. Ny kolom-pitombenana no nomen-danja sy nanakoako ery !
Tsy vitan’izay, misy mpitondra ambony. Napetraka ho zokibe toa ray, natao ho fitaratra, tsy mahatsapa-tena nanala ny satroka nandritra ny firedonana ny hiram-pirenena. Taratry ny fahaverezan’ny fahaiza-miaina, izay antoky ny fampandrosoana izany. Efa manao izay danin’ny kibony daholo, hany ka hadino hatramin’izay faran’ny bitika indrindra aza amin’ny fahalalam-pomba.
Tsy gaga isika raha miharava ny fiarahamonina. Mimenomenona daholo fa mirongatra ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana. Iza anefa no mahatonga izany ? isika mianakavy ihany. Ny olona napetraka ho maodely, manaotao fahatany. Tsy manaja ilay hasin’ny firenena sy ny hasina mahaolobe azy ny ankamaroany. Mpitari-bato vilam-bava, mpampiana-dratsy. Ny vahoaka madinika, tsy manan-tsaina afa-tsy ny fomba hahitana izay hatokona sy hohanina. Tsy mifidy fomba na fihetsika atao intsony fa baikoin’ny sitrany ahay.
Fehiny, mila tetikasa goavana sy maharitra ny vahoaka malagasy, hivoahana amin’ny kirizy lalina mikiky ankehitriny. Iza anefa no hanao izany ? Isika mianakavy efa azon’ny aretin’ny samy maka ho azy. Ny hany azo antoka, tsy maintsy ho olona tena tia tanindrazana ihany !
r.r