Manafika any an-dakazerina ny jiolahy, ankehitriny. Ny zandary manao fisafoana any ivelany, miaro vahoaka. Ny tokantranony anefa hanaovan-dry zalahy tantely afa-drakotra.
Mangarom-biby an-davaka! Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy namaky tranona zandary iray tao anatin’ny toby “Gallieni” Toamasina, afakomaly. Tany am-panatontosana ny asany, nanao fisafoana, ny mpitandro filaminana iray no nisy nikasa hamaky ny tranony. Nanararaotra, niditra an-tsokosoko tao amin’io faritra mena ilay olon-dratsy. Tsy nisy nahatsikaritra ny fisiany tao anatin’ny kazerina. “Tsy nataon’io jiolahy io sakana ny fisian’ny marika famantarana maha faritra mena ny toby”, hoy ny Kaomandin’ ny vondro-tobi-pileovan’ny zandarimaria Atsinanana, Kly Ranaivoarisoa Théodule. Nanararaotra namoaka ny entana sarobidy tsikelikely ilay mpamaky trano. Kinanjo, nifanehatra tampoka tamin’ireo mpitandro filaminana niverina avy nanao fisafoana izy. Taitra, natsipiny ireo entana teny an-tanany ary nikasa handositra izy. Nampitandrina avy hatrany ny zandary sendra azy. Tsy nijanona anefa io mpamaky trano io fa nanao tongotra an-katoka. Vokany, nitifitra ny zandary. Namoy ny ainy tamin’izany, ity jiolahy.
Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy nitonona ho fianakavian’ity jiolahy maty voatifitra ity ireo mponina ao amin’ny manodidina. Raha tsiahivina, jiolahy iray hafa koa namoy ny ainy vokatry ny famakiana tranon’ny miaramila iray tao Toamasina. Notetezin’io olon-dratsy io nangalarana ny mpanofa sy ny tompon-trano. Very ny kiraro, ny akoho amam-borona hatramin’ny moto. Tsikaritry ny tompon-trano niakatra ny tamboho anefa io jiolahy io. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka lavo tamin’izany ity farany.
Sajo/ Tsiferana R.