Tra-tehaky ny polisy avokoa ireo efa-dahy saika handroba vola tamina mpandraharaha iray tao Toliara omaly.
Nirefotra ny basy tao Andaboly, renivohitr’i Toliara omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina teo. Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny lehilahy mpandraharaha iray avy ao Soahazo niakatra tao an-toerana. Saika handroba ny vola teny aminy tao anaty sakaosy ireo olon-dratsy saingy niditra an-tsehatra ny polisy.
Nandeha fiara niaraka tamin’ilay zanany lahy io mpandraharaha io no efa narahin’ireo jiolahy. Nony tonga teo Andaboly, nanafik’azy ireo olon-dratsy sady nitifitra. Vokany, voa teo amin’ny sorony havia ilay raim-pianakaviana saingy mbola niezaka niaro tena hatrany. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanjevoana. Tsy azon’ireo mpanafika ilay sakaosy ka vaky nandositra izy telo lahy. “Nanao taingin-droa tamin’ny moto ny roa lahy raha nitsoaka nandeha tongotra kosa ny namany iray. Noenjehin’ny fokonolona izy ka tratra tsy lavitra teo ihany”, hoy ny polisy ao an-toerana. Taorian’io, natao famotorana ity voasambotra ka nanondro ireo namany. Fantatra tamin’izay koa fa mpamerin-keloka ity jiolahy tratra ity. Voasambotra tao Ankilifaly niaraka tamin’ilay moto sy ilay basy nampiasainy ny namany hafa. Ny harivan’io no tratra nihaohaody teny Ankilifaly ihany koa ny iray fahefatra. Mitohy ny famotorana. Ilay raim-pianakaviana voatifitra kosa efa nahazo fitsaboana sahaza ho azy ary tsy atahorana ny ainy.
Henintsoa Hani