Tonga tao amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahatena teny Ambohijatovo, omaly, ireo filohan’ny ligy fito tsy manaiky ny nahalany an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Rugby (FMR). Isan’izany ny filohan’ny ligy avy any Menabe, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vakinankaratra, Diana, ary Betsiboka. Izy ireo izay hanatitra ilay taratasy fangatahana ny hanaovana fivoriambe ara-potoana, rehefa nahafeno fetr’ isa na “Quorum” izay takian’ ny ministera.
“Tsy hitondra korontana ho an’ny Rugby izahay fa hiezaka ny handravona ny olana misy sy hampandroso ity taranja ity.”, hoy Atoa Rasolonjanahary Tefy Harivony, filohan’ny ligy Betsiboka, Rugby. “Tsy misy resaka politika ny resaka satria izay no sata mifehy ny fanatanjahatena.”; hoy hatrany ny fanazavana.
Nilaza ihany koa ireto filohan’ny ligy ireto fa tsy nampahafantarina azy ireo ilay kandida hofidiana tany Toliara. Izay no voalaza fa nakan’izy ireo, fanapahan-kevitra ny tsy nandeha tany an-toerana. “ Tokony amin’ny “AG extra” no hanamboarana ny kaomitim-pifidianana. “Mangataka ny kaomity Olympika malagasy ny mba hijery ny taranja Rugby fa tsy ilay olona.” Hoy hatrany ity filohan’ny ligin’i Betsiboka ity.
Marihina fa nankasitrahan’ny minisitera ilay taratasy fangatahana
.
Fitia (Mpianatra asa)