Takaitran’ny rivodoza : mitohy hatrany ny fanampiana ny any Marovoay

Nigadona any Marovoay omaly, andro vitsy taorian’ny nandalovan’ny filoha Rajoe­lina Andry tany an-toerana ny fiara fitondrana marary “Am­bulance”, araka ny fangahana nataon’ny “Médecin inspecteur”. Natokana ho an’ireo marary eo anivon’ny distrika sy ny manodidina izany ary ampiasaina ao amin’ny Centre Hospitalier de District, ao Fihaonana, Marovoay.
Efa nialohavan’ny fanomezana fanampiana ireo traboina noho ny takaitran’ny rivodoza izany, amin’ny alalan’ny fanjakana, notarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Eo ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN). Anisan’izany ny “Seau”, ko­veta, savony, lamba firakotra, vilany, fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy. Manampy izany ny vary iray gony, menaka, voamaina ireo mponina tao an-toerana.

Masomboly sy lelavola

Nisitraka masomboly 20 kg isaky ny hektara koa ireo tan­tsaha miampy fitaovam-pambolena ho fanarenana ireo voly simba, dibo-drano tanteraka. Teo koa ny fampitao­vana samihafa ireo tantsaha.
Ankoatra izany, nizarana sakafo mafana ireo mponina, niarahan’ireo tomponandraikitra tonga tany an-toerana. Nametrahana vilany maromaro isaky ny kaominina tsirairay natao hikarakarana ny sakafo ho an’ireo traboina. Nisitraka koba aina kosa ireo kilonga madinika.
Tsiahivina fa nizaran’ny fanjakana lelavola 120 000 Ar ny isan-tokatrano ho fanohanana ny fanerenana ny simba. Vokatry nyfiaraha-miasa amin’ ireo mpiara-miombon’antoka izany.

Synèse R.

Partager sur: