Toliara II : lehilahy iray hita faty tapa-doha

Mirongatra ny tsy fandria­mpahalemana ao Toliara II. Omaly maraina, lehilahy iray no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina Ankatsakatsa atsimo, distrika Morombe. Hita faty tapa-doha tsy lavitry ny lisea ao an-toerana izy, nisitrika tao anaty kirihitra ny vata-mangatsiakany. Tsy nisy nahita ny nahafaty azy fa ireo mpianatra hamonjy sekoly no nahatsikaritra ny zava-nisy. Nampandrene­sina ny fokonolona.

Ankilan’izay, manao fa­motorana ny raharaha ny zandary any an-toerana. Fan­tatra ny mombamomba ilay maty, lehilahy 40 taona izy, mpatsaka rano, hoy ny loharanom-baovao iray. Ao koa ireo milaza fa olona tsy dia salama saina loatra izy io ary mpipetrapetraka eny amoron-drano sy anaty ala.

Mila mailo

Noentanina ny vahoaka mba ho mailo manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izay mahazo laka ao amin’ ny distrika. Tokony tsy hisalasala ihany, hoy izy, ny tsirairay raha toa ka mahita na mahatsikaritra zavatra mampiahiahy. Tsiahivina fa vao ny asabotsy teo no nahitana tovovavy roa maty tamin’ny fomba mahatsiravina tao Bekily Androy. Samy nalana maso sy novonoina izy roa vavy ireo ary natsipy tao amin’ny reniranon’i Mena­randra. Voalaza fa hanaovan’ olona sorona no anton’ireny halatra taova ireny.

Misy ireo manantona mpimasy raha toa hanao zavatra ka izy ireny no mampaniraka sy mahatonga ny olona manaotao foana. Araka izany, manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana mba hijery ny tsy
fandriam-pahalemana ma­hery vaika ao amin’ny distrikan’i Toliara II. Tsy vao izao tokoa manko ny trangana vono olona mahatsiravina toy izao. Maro ireo efa namoy ny ainy hatramin’ny ankizy. Atahorana ao anatin’izany koa ireo olona varira.

Henintsoa H.

Partager sur: