Vidim-piainana : manodidina ny 1000 Ariary ny kapoakan’ny vary

Miakatrabe ny vidim-bary eny anivon’ny tsena raha ny fanadihadiana natao. Voaka­sik’izany ny makalioka sy vary gasy ary ny diste. Alaina 152 500 sy 154000Ariary ny vary diste sy makalioka ao amin’ ny tsenan’Anosibe. Amidy 3350 sy 3500 ariary ny iray kilao eny amin’ny tsena mpaninjara. 1000 Ariary sy 950 Ariary ny iray kapoaka. Maka tombony 400 Ariary isaky ny kilao ireo mpivarotra. Lafo noho ny vary avy any ivelany ny vary eto an-toerana. Mano­didina ny 700 Ariary ny iray kapoaka amin’ny “stock” sy ny “riz de lux”. “Ny haratsian’ ny lalana vokatry ny rotsak’ orana, ny fiakaran’ny vidin’ ny solika ny mahatonga ny halafon’izany” hoy ny mpitatitra nanontaniana.

Nihena ny fahefa-mividin’ ny olona
“Mihena 3,5 kapoaka ny vary vidian’ny olona ankehitriny raha nahatratra 5 ka­poaka izany teo aloha” hoy ny mpivarotra nanontaniana. Ankoatr’izay, manafangaro vary ny ankamaroan’ny mala­gasy. Indrindra ireo olona maro an-trano sy sahirana ara-pivelomana. Mividy vary gasy 2 kapoaka miampy vary stock 3 kapoaka izy ireo. “Tsy ma­hazaka mihinana vary “stock” ny sasany satria mahatonga hidihidy amin’ny vatana izany” hoy ny olona nanontaniana. “Sasana tsara alohan’ny an­drahoana azy mba hisorohana ny aretina. Efa tsy takatra in­tsony ny vidim-bary eny an-tsena” hoy ny sasany.
Ankoatr’izay, nahitana fiakarany ihany koa ny siramamy eny. Mahatratra 4800 ny hakana ny iray kilao eny amin’ny grossiste. Amidy 5000 Ariary na 4900 Ariary izany eny amin’ny tsena mpaninjara. Efa tsy takatry ny olona ihany koa ny vidin’ny legioma maro samihafa. Toy ny voatabia sy ny karaoty. Mahatratra 200 Ariary ny iray amin’ny voatabia eny an-tsena amin’izao. “Ny halafon’ny ma­sonkarena sy ny saran-dalana mitondra azy mankaty andrenivohitra ny anton’izany” hoy ny tantsaha nanontaniana. Nahitana fihenana kely kosa ho an’ny vidin’ny menaka. Manodidina ny 9000 Ariary izany raha toa ka 9500 na 9800 Ariary izany teo aloha.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: