Afrika -CEDEAO*: ho an’ny fambolena, fotodrafitrasa, fitaterana

Nankatoavin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny hanome 50 tapitrisa dolara sy 50 tapitrisa euros ireo tany afrikanina mpikambana ao Afrika andrefana. Mbola ampian’i Chine 30 tapitrisa dolara izany amin’ ny alalan’ny «Africa Growing Together» fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrika.
Nomena izany famatsiam-bola izany mandritra ny telo taona sy enim-bolana hanampiana mivantana ny orinasa any an-toerana sy ireo banky voafidy atao hamatsy vola ny fambolena, ny fotodrafitrasa, sy ny fitaterana. Kendrena ny hahazo tombony mivantana ireo orinasa madinika sy salantsalany, kaoperativa sy ireo mpamboly.Mpiara-miasa akaiky amin’ny Bad ireo sehatra maro ara-toekarena any Afrika andrefana ary manao izay hahitana tsenam-barotra hatrany.

Ny tompon’andraikitra eo amin’ny varotra ao amin’ny Bad kosa nilaza ny fankasitrahany ny fiaraha-miasa amin’i Chine hanomezan-danja ny orinasa madinika sy salantsalany (PME), indrindra fa orinasa tantanan’ny vehivavy. Ilaina, araka izany, ny manentsina ny fatiantoka sy manampy ireo sehatra tsy ampy famatsiam-bola. Tom­ba­nan’ny Bad ho matiantoka be loatra ny varotra any Afrika andrefana , ary mbola sarotra ho an’ny PME maro ny mahita famatsiam-bola.

Ndrina

CEDEAO* : Communauté économique des États de l’Afrique de l’Ouest

Partager sur: