Tsy nahitana endrika vonoan’olona ity raim-pianakaviana hita faty ity nitsirara teo amoron-dalana tao amin’ny fokontany Ambalakisoa Toamasina, ny alatsinainy teo. Raha ny fanazavana voaray, tombanana ho manana aretim-borona izy satria nahitana ranovava maro nivoaka ny vavany sy ny orony. Mety nihetsika izany ka nianjera tamin’ny rano mihandrona, ny orana rahateo nivatravatra be ny alin’io, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny BMH eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, ny dokotera Bezandary Désiré. Ankilany, nambaran’ireo olona sasany mahafantatra azy, nentin-katezerana izy noho ny olana ara-tokantrano ka lasa nivoaka ny trano. Tsy niverina intsony taorian’izay, kanjo izy hita faty tampoka izao. Manahy koa ireo olona akaiky fa mety noho ny hamamoana diso tafahoatra koa no mety nahafaty noho izy nanana olona teo amin’ny tokantrano.
Sajo