Hizara kopia fohy maimaimpoana ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Miisa 6000 izany ary 1000 isa hozaraina isaky ny boriborintany tsirairay avy. Hisitraka ity tolotra ity ireo ray aman-dreny sahirana mampiana-janaka eto Andrenivohitra. Mba ho fitsinjovona azy ireo amin’ny fikarakarana antontan-taratasim-panadinana ny tanjona. Hahazo tombony ireo ray aman-dreny sahirana manan-janaka hanala fanadinam-panjakana eny anivon’ny boriborintany enina, toy ny CEPE, ny BEPC ary ny Baccalaureat.
Tsapa fa sahirana ny ray aman-dreny mikarakara sy maka kopia fohy na ny « bulletin de naissance » eny anivon’ny firaisana tsirairay. « Ahitana filaharam-be, mihemotra ny fahavitan’ny kopia karakarakaina” hoy ireo olona nanontaniana. Sahirana amin’ny fikarakarana sy famenoana ny antontan-taratasy, arak’izany, ny mponina, indrindra ireo ray aman-dreny ary ny mpianatra manomana fanadinana. Marihina fa anisan’ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fanalana fanadinana ny kopia fohy.
Araka ny tetiandro navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, nanomboka ny 23 janoary hatramin’ny 25 marsa izao ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana CEPE. Nisokatra ny 30 janoary teo ka hifarana ny 31 Marsa ny BEPC. Mbola tsy fantatra kosa izany ho an’ny fanadinana Baccalaureat.
Hifarana amin’ny volana Marsa izao ity tolotra ity raha ny nambaran’ny teo anivon’ny kaominina. “Entanina hanantona ny boriborintany tsirairay avy ny olona liana mikasika izany” hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina.
Mino (mpianatra asa)