Mbola miatrana ao Besakoakely, kaominina Esira, distrikan’Amboasary Atsimo ny mpitandro filaminana taorian’ny fifandonana ny asabotsy teo. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tafakatra 17 ireo voasambotra tamin’ity raharaha ity. Voasambotra ny alahady teo tao Emitray ny 15 tamin’ireo raha afakomaly, tao Esira kosa ny roa hafa, hoy ny loharanom-baovao iray. Notohizany fa mbola karohina kosa ilay ben’ny Tanàna ao Esira teo aloha voatondro ho nitarika ity savorovoro namoizan’olona ity. Tsiahivina fa olona miisa enina no namoy ny ainy taorian’ny fifandonan’ireo mponina. Olona avy ao Esira ny dimy tamin’izany raha olona avy ao Emitray kosa ny iray hafa. Ankoatra izay, maro ireo naratra. Tokantrano miisa fito koa no levon’ny afo, ary efatra hafa nirodana. Vono olona tany aloha no nitarika ilay fifamonoana. Voalaza mantsy fa namono olona avy ao Esira ny andian’olona avy ao Emitray ka nahatonga ilay fanafihana. Mbola niezaka nanelanelana sy nandamina ny raharaha ny ben’ny Tanàna sy ny filohan’ny jado nialohan’ny fifandonana saingy tsy nanaiky izany ny roa tonta. Vokany, niafara tamin’ny kapa famaky sy tsindrona lefona ny zava-nisy.
Taorian’io, nivory maika ny OMC tao an-toerana. Tapaka tamin’izany fa handefasana mpitandro filaminana hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha.
Henintsoa H.