Marobe ireo olona tonga namboly hazo teny amin’ny kaominina Masindray, omaly. Fambolen-kazo notarihin’ny goverinoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Niarahana tamin’ireo antoko sy fikambanana ary olon-tsotra manohana ny asa fampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry izany. Nandefa solontena avokoa ny boriborintany sy ny kaominina rehetra eto Analamanga. Ankoatra izany ireo fikambanana isan-karazana sy olon-tsotra mafana fo manohana sy maniry hiditra anatin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana napetraka. Fanehoana firaisankina no atao ao anatin’ny fambolen-kazo, hoy ny goverinoran’ Analamanga. Tazana tao avokoa ny mpitolona rehetra hatramin’ny taona 2009 sy 2018. Mbola tao tsara ny hafanam-po ka samy tsy nahare sasatra.
14 taona aty aoriana mbola maneho fahavononana ny rehetra ary manohy ny ezaka iarahana.
Nanao antso avo amin’ireo olom-boatendry ny goverinora fa mbola manana fotoana hamitana ny veliranon’ny filoham-pirenena hatramin’ny faran’ny taona, mba hitsaran’ny vahoaka azy ireo.
Mirefy 20 Ha ny velaran-tany nambolena hazo tao Masindray. Arahi-maso ny fitombony sy ny fikoloana azy. Nahatratra 10.000 ny hazo novolena, nahitana Bamboo, Frêne, Mantalys, Flamboyant…
Tatiana A