07 febroary 2009 – 07 febroary 2023. 14 taona omaly ny tolona. Mbola latsaka an-katerena ny sosialim-bahoaka, maro ny tanora tsy an’asa ankehitriny. Mitaky ny hijerena sy hamahana izany olana izany ny Fikambanan’ ny leo fahantrana (FILEFA) raha niresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Ambohitsirohitra.
“Tsy mora ny lalana nolalovan’ny vahoaka malagasy talohan’ny tolona tamin’ny 2009”, hoy ny filoha lefitry ny fikambanana leo fahantrana sy vovonan’ny Taramasoandro, Randriantsilofo Lalatiana José. Mbola hitohy ny tolona ho an’ireo vahoaka Malagasy te hivoatra sy hiala amin’ny fahantrana.
Tsy vahaolana ny vary tsinjo
“Tsy ampy ary tsy mahavaha olana ny fizarana vary tsinjo sy tosika fameno”, hoy izy ireo. Tokony hojeren’ny fanjakana ny fototra mahomby hialana amin’ny fahantrana. Nohamafisin’ny Filefa, fa azo sorohana ny fahantran’ny vahoaka Malagasy satria manan-karena ny firenentsika. Manamafy izany ny fananan’i Madagasikara velaran-tany midadasika. “Anisan’ny harena lehibe izany raha voajary sy voakaraka amin’ny alalan’ny fanaovana seha-pihariana samihafa toy ny fiompiana sy fambolena” hoy hatrany ny fanazavany. “Tokony hojeren’ny fanjakana ireo zokiolona amin’ny lafiny rehetra. Anisan’izany, ny lafiny sosialy, ny fahasalamana ary ny fisotroan-dronono”, hoy izy namarana ny resaka.
Marihina fa anisan’ny tonga nanatitra voninkazo teny amin’ny tsangambato Antaninarenina ny fikambanana, omaly.
Mino (mpianatra asa)