Nomarihina, omaly tetsy Antaninarenina ny faha-14 taon’ny 7 febroary 2009. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany ilay vavaka nampianarin’ny Tompo, momba ny fifamelana ka tokony hamelana ny helok’ireo rehetra nanao ratsy. “Andriamanitra hamaly ny ratsy sy ny tsara nataon’izy ireo. Antsoina kosa isika hamela ny helok’izy ireo. Hanamaivana antsika izany ary hotanterahantsika iny vavaka iny ahafahantsika manadio ny fo sy miroso anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana…”, hoy izy.
Nitodika amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ary ireo tompon’andraikitra rehetra mpitantana koa anefa ny tenany. Hentitra ny nambarany tamin’izany ny amin’ny tsy tokony hisaraham-bazana. “Aoka isika tsy hanaiky ny fampisarahana fa mba hatambatry ny fitiavan- tanindrazana. Hijoro hatrany hampandroso ny firenena. Ho resintsika ny fahantrana sy ny fahavalo rehefa miray hina isika”, hoy izy.
Nanteriny tamin’izany fa andro tsy azo hadinoina ary mibaiko ny fitiavan-tanindrazana misy eo amintsika tsirairay avy sy ny adidy ho entina hampandroso ity firenena ity ny anio.Tsy ho raraka an-tany ny aina nafoy teto. Miroso isika manohy ny asa tokony hatao hampandroso ny firenena na maro aza ny sakana, araka ny nambarany.
Namboly hazo
Nankahereziny koa avy eo ireo nitondra takaitra sy ireo namoy havana noho ny “Raharaha 7 febroary 2009” iny. “Tsy irery ianareo fa mifanohana mandrakariva isika” hoy izy.
Tsiahivina fa nomarihina tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato manoloana ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra izany fotoana izany. Niatrika teny an-toerana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta sy ireo depiote na loholona. Ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Teo koa ireo avy amin’ny fikambanan’ireo niharam-boina (AV7). Nitohy amin’ny alalan’ny fambolen-kazo any Ambohimanambola izany avy eo.
Synèse R.
Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo teny Antaninarenina koa ny avy amin’ny Monima, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny antoko, nisolo tena an’i Monja Roindefo. Teo koa ny filoha mpitarika ny Masters, Ramaroson Alain…