Filohan’ny Hafari : “Mila ovaina ny fototra eo amin’ny sehatra politika”

“Iriko ny hanamboarana ny fototra eo amin’ny sehatra politika misy eto amintsika”, hoy ny filohan’ny Hafari Ma­la­gasy, Rafa­nomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao ga­zety, omaly. La­haram-paha­mehana ho an’ireo mpanao politika eto Mada­gasi­kara hatramin’ny na­hazoana ny fahaleovan-tena. Samy manao izay ahazoany tombony ary ny ataon’ny teo aloha ihany no miverina. Manaitra ny sain’ny rehetra mba hametraka ny hery telo mandrafitra ny politika. Ny hery avia, ny havanana ary ny afovoany. Ny vahoaka foana no taritina saingy mbola tsy nisy zava-dehibe nentin’ny tolona. Manahy amin’ny mety hihenan’ny isan’ny mpifidy hatramin’ny 60 % noho ny fahadisoam-panantenany taorian’ny fifidianana farany teo izy. “Ny fanetre-tena no tsy ampy eto”, raha ny nambarany. Andrasan’ny vahoaka ane­fa ny firaisan-tsain’ny mpitondra sy ny mpanohitra. No­tsiahiviny, tafalatsaka anatin’ny fahantrana lalina ny firenena ka ny hanarenana izany no laharam-pahamehana.

Tsiferana R.

Partager sur: