Fitaovan-tserasera miasa isan’andro amin’ny asa, fianarana, fihariana, fampivelarana amin’ny maha olona ny « internet ». Voasarika ao avokoa ny sokajin-taona rehetra, indrindra ny ankizy.
Nanao fanadihadiana ny Ecpat France sy ny End violence partnership ary ny Unicef ny taona 2021 momba ny ankizy sy ny fanararaotana mamoafady an’habaka mihatra amin’izy ireo. Tamin’ny ankizy 1500 (9 ka hatramin’ny17 taona) nohadihadiana, mampiasa internet avokoa ny 78%, mihoatra ny in-dimy ao anatin’ny herinandro no mikirakira izany ny 58% amin’ireo. Ny zava-mitranga anefa samy mikirakira ny “internet” amin’izay mety aminy ny daholobe na misy aza ny lalàna mifehy ny fampiasana azy eto amintsika. Natokana ho “Andro iraisam-pirenena amin’ny fampiasana ny internet azo antoka”, omaly. Nanomana atrikasa ho an’ny salan-taona rehetra momba ny fampiasana ny internet ao anaty fitandremana ny Unicef teny Ambohijatovo. Noferana ho 30 ny mpandray anjara izay tovovavy ny ankamaroany ary mpianatra avokoa. 13 ka hatramin’ny 46 taona ireo nisoratra anarana sy nanaraka ny fizarana nandritra ny tontolo andro. Tanjona ny hananan’ny mpiofana antoka eo am-pikirakirana “internet” hisorohana ny fanararaotana samihafa indrindra ny ankizy sy ny tanora, hoy ny mpampiofana avy ao amin’ny Hay Agency, mpiara-miasa amin’ny Unicef, Andrianandrasana Rina. Nomena ny tsara ho fantatra rehetra momba ny lalàna sy torohevitra rehefa hampiasa ny tambajotran-tserasera izy ireo. Noraisina manokana ny tapakandro hariva ny application “Tik Tok” be mpampiasa amin’ny tambajotra nefa misy fandrika rehefa tsy mahafehy azy. “Mila mitandrina hatrany ny rehetra amin’ny sary, teny, horonantsary alefa amin’ny tambajotra tsy hanimba ny tenany sy ny manodidina azy satria samy tsy azo fafana intsony rehefa natosaka tao”, araka ny fanehoan-kevitry ny mpampiofana.
Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny Ecpat France ihany, 50%-n’ny ray aman-dreny anatin’ireo nanontaniana ihany no mampiasa internet. Mbola ny antsasamanila monja amin’ny
ray aman-dreny no manara-maso ny zavatra ataon’ny zanany rehefa mampiasa internet.
Vonjy A.