Madagascar Mozarteum: hiaka-tsehatra ry Quatuor Squad

Tafiditra ao anatin’ny an­diany faha-136 ny «Con­cert classique de midi». Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely amin’ny talata 14 febroary izao, ma­nomboka amin’ny 1 ora tolakandro tsy diso, ny Quatuor Squad miaraka amin’i Tohy Ramaroson hitendry ny «contrebasse». Fandaharam-potoana nomanin-dry zareo amin’izany ny famelomana ny sanganasan’i Ludwig Van Beethoven, Maurice Ravel, Adolphe Blanc, He Zhan­hao, Léonard Bernstein, Carlos Gardel, sns.
Marihina fa ankoatra ny fanatanterahina seho tahaka izao, anisan’ny nahafantarana ny Quatuor Squad ny fiarahana amin’ireo mpihira manana ny lazany toa an’i Tovo J’hay. Nomarihin-dry zareo fa andro hanamarihana ny «Fetin’ny mpifankatia» ny 14 febroary, noho izany, atolotra ho an’ny mpifankatia sady hanasana azy ireo manokana ity seho ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: