Natsikafon’ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga ny fomba fiasan’ny Ceni,
amin’izao fotoana izao. Nohitsin’ny mpitondra-teniny, Rakotomalala Rija ny fihoaram-pefy ataon’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity.
“Tokony hanara-dalàna ny Ceni. Tsy voahaja anefa izany. Heno sy hita ary anananay porofo fa mbola mandray anaran’olona amin’ny lisitry ny mpifidy izy ireo izao. Mbola misy olona mameno ny lisitra anaty karne sy mandray anarana any nefa efa tapitra ny fe-potoana, tokony hanaovana izany fa efa eny anivon’ny fokontany indray izao ny tokony handraisana izany”, hoy izy, tetsy Analakely, omaly. Nanteriny fa hiantraika amin’ny fikarakarana lisi-pifidianana sy ny fifidianana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fifidianana filoham-pirenena sy ny eny anivon’ny kaominina. Nametrahan’ny MMM ahiahy izany fomba fiasa’ny Ceni izany.
Etsy andaniny, olana efa napetrak’izy ireo koa ny fikirakirana ny rindram-baiko amin’ny fampidirana ny anaran’ny mpifidy anaty solosaina, hiatrehana ny fifidianana roa, samihafa. “Nokirakirain’ izy ireo samirery tao izany ary tsy nanaovana fanadihadiana “Audit” ilay rindram-baiko, afahana mijery ny anarana miverimberina “Doublons” na misy tokoa na tsia. Tsy manaraka ny fenitra anefa io fitaovana io”, hoy ihany izy.
Fanjakana tsy niomana amin’ny tetibola
Notsiahivina avy eo fa 37% ny tahan’ny isan’ny mpifidy ny volana desambra teo ary nambara kosa ny janoary teo fa maherin’ny 9 tapitrisa izany izao. Mbola mitady mpifidy hatrany amin’ny efatra tapitrisa mahery izany ny Ceni, vao hahatratra ilay mpifidy 13 tapitrisa. Efa tsy tomombana hatramin’ny voalohany io. “Takinay MMM ny mba hanampian’ny fanjakana ny hampanarahana fenitra eo amin’ny fitaovana, ny vola ary koa ny olona, afahan’ny Ceni manao ny asany”, hoy izy. Nohitsiny koa fa manana ny fiandrianany ny firenentsika manoloana ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny vola sy teknika (PTF). Antsika ny fifidianana ary filoham-pirenentsika sy ny mpitantana antsika no hofidiana nefa tsy manao ezaka ny governemanta hampitombo ny vola ho amin’izany. Efa voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna anefa ny hanaovana fifidianana amin’ity taona ity. “Mampiahiahy izany fanjakana tsy miomana amin’ny tetibola hanaovana fifidianana izany”, hoy izy.
Synèse R.