Tontosaina manomboka androany 7 febroary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny asabotsy 25 janoary 2023 ny varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel ao amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely. Guy Pradel, izay teratany frantsay manana fahaizana manokana mahakasika ny hosodoko, ary manana ny lazany any Eropa sy aty amin’ ny ranomasimbe Indianina. Manodidina ny 30 isa ny tabilao aranty sy varotana mandritra ny hetsika. «Ireo mpankafy hosodoko tsy avahana na vahiny na Malagasy no andrasana ao anatin’izao hetsika izao. Tanjona ny hampiroborobo ny kolontsaina, indrindra ny tontolon’ny hosodoko eto Madagasikara» hoy ny tompon’andraikitra mpikarakara.
Mitohy hatrany ny fanatraran’ny IFM Analakely ny tanjona napetrany amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina, na Malagasy izany na vahiny. Amin’ity indray mitoraka ity, mpanakanto manana fahaizana manokana momba ny hosodoka mihitsy no mampiranty ny zava-bitany. Misy amin’ireo hosodoko aranty eny amin’ny IFM Analakely no avy eto Madagasikara ny akora fototra nanaovana azy. Nanambara i Guy Pradel fa “Efa hatramin’ny fotoana voalohany nahatongavany teto Madagasikara no babon’ny tontolo iainana misy eto amintsika izy. Isan’ny nahazoany aingam-panahy maro ihany koa ny fanotana izany”.
Lohahevitry ny fampirantina ny hoe “Sacramental” milazalaza sy mampiseho ny fanantenana sy ny tontolon’ny zava-masina ankehitriny. “Manana ny hasina maha izy azy ny fanehoana ara-java-kanto nohon’ny tanjaka anaty ananany, na inona na inona fiavina sy fitaovana nanaovana azy” hoy hatrany ity manam-pahaizana momba ny hosodoko Frantsay ity.
Lin (Mpianatra asa)