Nanome toky ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly fa ho amboarina ny lalan’Antananarivo izay potika avokoa ny ankamaroany amin’izao fotoana izao. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny Asa vaventy ary ny ben’ny Tanàna fa hifarimbona amin’ny fanamboaran-dalana.
Orinasa goavana no hiandraikitra ny asa ary hatao mafy sy mateza izany. Hojerena izay tokony hatao “beton” ary hatao tara izay azo atao tara.
“Aleo mahita lalana vita tsara sy maharitra na dia kelikely aza toy izay sasatry ny manamboatra fa mora simba. Teo aloha, tsy ampy ny vola nampiasaina ka nanaovana ny asa maika ary namonjena ireo lalana tena potika fa eto kosa dia lalana mateza no hatao. Na tonga aza ny fahavaratra dia tsy ho simba intsony ny lalana aorian’izay fanamboarana hatao izay.”, hoy hatrany ny governoran’ Analamanga.
Nanentana ny mponin’ Antananarivo koa ny governora ny hanajana ny fahadiovana ka tsy hanary fako any anaty lankandrano. Miteraka rano miandrona eny amin’ny arabe ireny ka mamotika haingana ny lalana.
Anisan’ny maha zava-dehibe ny fitoviam-pijerin’ireo mpitantana ny fanaovana asa iarahana. Tomponandraikitra feno avokoa ny rehetra ary miara-miasa sy mifarimbona amin’ny fanarenana ny lalana. Toy izay no natao tamin’ny fandraofana ny fako teto Antananarivo.
Tatiana A