Renim-pianakaviana sahirana: saika homeny olona ny zanany vavikely

Nampihoron-koditra ny fihetsika nataon’ny renim-pianakaviana iray nikasa hanary ny zanany tany Manakara…

Niteraka resa-be teo amin’ny fiaraha-mo­nina sy tao amin’ny tambajotran-tsera­sera ilay re­nim-pianaka­viana saika ha­nome olona ny zanany tao Mana­kara. Omaly, nirenireny tao an-toerana izy ka nitady izay handray ilay zazavavikely vao iray volana sy tapany. “Olona avy any Vohipeno monina ao Vohidava izy io. Tsy manan-kialofana ary mi­renireny eto Mana­kara”, hoy ny fanazanvan’ny polisy ao an-toerana. Tsy salama ity vehivavy ity. Voasambotra sy atao andrimaso ao amin’ny bi­raon’ny polisy ihany koa rangahy vadiny noho ny ha­latra gisa voalaza ho nataony. Vokany, nandray an-tanana an’ity renim-pianakaviana tsy manan-kialofana ity ny mpitandro filaminana raha nahita azy. Misy, hoy ny polisy, ny olona efa saika haka ilay zaza. Fantatra tamin’izany fa nitady olona handray ilay zanany ity vehivavy ity noho izy sahirana loatra. “Mialoka­loka eny ambanin’ny bi­raon’ny kao­minina io vehivavy io”, hoy hatrany ny polisy. Ankehi­triny, atao fa­mo­torana izy ary hiakatra fampanoavana tsy ho ela.

Henintsoa H.

Partager sur: