Resaka « Tsalenjy »

Tankina ny vava, sadaikatra ny tanana hanoratra, sanganehana ny saina mandinika azy, tohina ny fo mijery azy ireo. Izay no azo hamehezana ny zava-nisy omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera « facebook ». Tsy tahotra tsy henatra ny tanora, mandray anjara amin’ilay resaka fifaninanana, fahasahiana mifanoroka imasom-bahoaka ny samy lehilahy. Ho tambin’izany ny fanomezana vola 50000 Ariary. Izay tompon-kevitra, tsy hidirana lalina. Ilay zava-nisy no handeha horesahana kely.
Voalohany, malalaka ny rehetra amin’ny fihetsika ataony sy ny handaniany ny volany. Tsy tokony ho hadino anefa, mijanona eo amin’ny fahafahan’ny hafa ny fahafahan’ny tena. Na inona na inona tiana nokendrena tamin’ireny, fanosihosena ny kolontsaina sy soatoavina malagasy ny fanaovana izany. Marina fa firenena fahafolo aty Afrika isika amin’ny fanajana ny demokrasia, saingy tsy mbola mankatoa izany hoe lahy samy lahy na vavy samy vavy, hiaraka izany. Misy hilaza fa kilalao, toy ny kilalao rehetra saingy ilay fanomezana volabe mihitsy no mampametram-panontaniana. Vola an’iza na vola avy aiza ? inona no tanjona ?
Faharoa, tsy vitan’ny kilalao fotsiny ireny, fa fanosi­hosena ny maha olombelona. Misary fanambazana noho ny fahantrana. Toa fanararaotana ny tsy fisiana. Angaha tokoa moa mahafaty ny manorokoroka kely anatin’ny iray na dimy minitra. Avy eo mahavidy izay tokony ho vidiana, sitrany ahay. Tsy vitan’izay, ny mety ho faha­faham-baraka, ateraky ny fiparitahana tamin’ny tamba­jotran-tserasera. Sanatrian-dresaka ka lany henatra ! ilay hasina maha-olombelona mihitsy no natakalo vola. Mila mandini-tena.
Farany, fihevitra iray anatin’ny maro no nozaraina teto. Mety hisy ny hanome tsiny sy hifanakiana. Andrai­ki­tra anefa ny mampahatsiahy, fa io fanimbazimbana ny maha izy azy sy ny fanosihosena ny kolontsaina, ary indrindra ny tsy fanomezan-kasina ny fanabeazana io no mahasimba ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny. Ilay fisainana zatra toloram-potsiny no mitondra amin’ ny fahantrana lalina. Tsy resaka « tsalenjy-tsalenjy » no hivarotana fanahy !

r.r

Partager sur: