Tsy nampoizin’ny mpakafy rugby any Nouvelle – Zélande ny vaovao niseho omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Nilaza ny federasiona rugby Nouvelle – Zélande fa hifindra lasy any Japon i Beauden Barret sy i Aaron Smith, mpilalao ao amin’ny All Blacks. Aorian’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ny taranja rugby “Mondial France 2023”, ny 8 septambra – 28 oktobra 2023, no hifindra any Japon izy mirahalahy.
Ao amin’ilay klioba Toyota Verblitz Japon, izy mirahalahy ireto no hampiseho ny talentany. 31 taona i Barret, maharitra iray taona ny fifanarahana. Manana eritreritra ny mbola hiverina any Nouvelle –Zelande moa i Barret aorian’io taona iray io.
Tsy fantatra kosa ny fifanarahana teo amin’i Smith, izay 36 taona, mpilalao an’i Highlanders Nouvelle- Zélande taloha sy ity klioba Japoney ity. Raha ny fantatra, mety any Japon izy no hamarana ny filalaovany ny Rugby eo amin’ny sehatra matihanina.
Fitia ( Mpianatra asa)