« Tara jiro » : zanaka filoham-pokontany maty voatifitra

Narahin’ireo dahalo tamin’ny alalan’ny jiro mazava “lampe de poche” teny an-tanany, maty voatifitra ny basy ny zanaky ny sefom-pokontany iray tao anatin’ny distrikan’Ihorombe, ny alin’ny alatsinainy teo.

Maty notifirin’ny olon-dratsy ny zanaky ny sefom-pokontany tao Satrokala, distrikan’Ihorombe, afakomaly alina. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, nisy olona nihaodihaody tao an-to­kontan’ izy ireo. Nivoaka ary nitondra jiro “lampe de poche” arak’izany ilay zanaky ny filoham-pokontany. Tam­poka teo, nirefotra ny basy. Tsy hitan’io lehilahy nivoaka ny trano io ny toerana nisy ireo olona ireo. “Narahin’ireo olon-dratsy ta­min’ny alalan’ny tara-jiro teny aminy sy ny aloka io zanaky ny filoham-pokontany io”, hoy ny lehiben’ny Vondro-tobi-pileovan’ny zandarimaria Ihorombe. Vo­kany, voan’ny ba­lan’ireo olon-dratsy teo amin’ny kibony (ambanin’ny fony). Nirifatra nandositra avy hatrany ireo nahavanon-doza taorian’izay. Nifandrimbona nanavotra ilay naratra ireo manodidina. Nen­tina namonjy ny hopitaly Tozzi Green izy saingy be loatra ny rà very. Namoy ny ainy izy.

Efa fantatra ny nahavanon-doza

Taorian’ny fanafihana, efa fantatra ny nahavanon-doza araky ny nambaran’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tsy olona vaovao io olona io fa mpifanerasera tamin’ny lasibatra ihany. Nitarika ny fitifirana ny valifaty nataony tamin’io za­naky ny sefom-pokontany. Ha­tramin’ny omaly alina, mbola hifampitadiavana io nitifitra io. Hanamafisana ny fandriam-pahalemana ao an-toerana, hisy ny hetsika manokana ataon’ny tafika sy ny zandary ao amin’ny kaominin’i Satrokala. Atao ha­zalambo ireo dahalo. Mitohy ny fampiharana ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana na ny TAFA.

Tsiferana R.

Partager sur: