Varotra lavanila: nifampiresaka ny mpandraharaha sy ny minisitera

Ny 15 novambra 2022 no nisokatra ny fotoam-panondranana lavanila ary tsy hitsahatra izany raha tsy ny faran’ ny volana mey 2023. Natom­boka ny dinika fitadiavam-bahaolana eo amin’ny fihariana lavanila manoloana ny ola­na misy sy ny fitarainana. Noho izany, nanokatra fiaraha-midinika ta­min’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ny minisitera misahana ny Varotra. Dingana voalohany no vita tamin’ny 6 febroary 2023, teto Anta­na­narivo.
Nihaino ny hetaheta sy ny o­lan’ireo mpandraharaha ny mi­­nisitra Razafindravahy Edgard.
Tohizana avy hatrany a­­min’ny fivorian’ny eo ani­von’ny komitim-pirenena mo­mba ny lavanila izany (CNV) ary hifampiresahana amin’ny go­vernemanta hirosoana amin’ny vahaolana. Hiverina hihaona indray ny ministera sy ireo mpandraharaha mpanondrana amin’ny 15 febroary ho avy izao.
Ny zava-misy ankehitriny eo amin’ity fihariana ity dia mbola betsaka ny lavanila any amin’ireo tantsaha sy mpanangom-bokatra hiandrasana mpividy. Mikorontana tanteraka ny varotra lavanila, maitso na masaka, any ifotony, tsy araka ny nameran’ny fanjakana azy. Jerena haingana ny fomba handaminana izany miaraka amin’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ireo. Torak’izany koa ny fifampiresahana amin’ireo mpividy iraisam-pirenena.
«Tsy maintsy natao ity fifanakalozana ity satria ilaina ny miaro ireo mpisehatra voakasiky ny rojom-pihariana eo amin’ny lavanila mba tsy hisian’ny fatiantoka», hoy ny minisitra Razafindravahy Edgard , nanoloana ireo mpanondrana tonga teny amin’ny Novotel Alarobia.

Ndrina

Partager sur: