Hatomboka amin’ny 18 febroary 2023 ho avy izao ny fankalazana ny faha-60 taona ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Hisy diabe hiainga eo amin’ny gara Soarano, hifarana eo amin’ny kianja malalaky ny Lapan’ny Tanàna. Hiarahan’ny Fimpima amin’ ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ity hetsika ity.
Nampahatsiahivin’ny filohany, Rtoa Andriamboavonjy Hanitra, fa nisy ny fifanarahana natao sonia ny taona 2022, niarahan’ny Fimpima sy ny Ofisim-pirenena mikasika ny fizahantany (ONTM). Isan’ny hetsika natao ny « Tsenaben’ny kabary » sy ny « Tsenaben’ny fizahantany ».
Hisy ny « Takarivan’ny fialamboly » amin’io 18 febroary io, hatao eny amin’ny Sakay rouge Itaosy. Iarahan’ny Fimpima sy ny mpitaridia ara-pizahantany sy ny vondron’ny mpandraharaha (Tour opérateur). Hisongadina amin’izany ny kolontsaina malagasy, toy ny fangataham-bady fanaon’ny foko samihafa, adikan’ny mpisehatra amin’ny fizahantany amin’ny tenim-pirenena isan-karazany.
« Kabary tour »
Hatao amin’ny volana jona koa ny « Kabary tour », iarahana amin’ny vondron’ny Tour opérateur. Nilaza ny filohany, Rakotonirina Angelo, fa haharitra 10 andro (13-23 jona) ity hetsika ity, miainga eto Antananarivo, Antsirabe, Ranomafana, Isalo ary Ifaty Toliara. Hampahafantatra ny vokatra sy ny kolontsain’ny foko 18 ireo mpitari-dia. Isan’ny miteny anglisy i Andrianampoina Diary, efa niofana mikasika ny kabary. Nambarany, fa manotrona ireo hetsika ara-kolontsaina izy rehefa mitarika mpizahatany, manatrika famadihana, fora zaza, vodiondry malagasy, any amin’ny faritra samihafa. « Nitombo ny fahalalako rehefa nianatra kabary aho », hoy ihany izy.
Njaka A.