Notondrahan’ny vadiny rano mangotraka sy nokendaina i Sendra, monina etsy Ambohimiandra, boriborintany II. Potika ny vatany, tsy afaka mampinono ny zanany vao herintaona izy.
Mampivarahontsana! May kila ny hodi-tava hatramin’ny faritry ny kibony, io no vokatry ny herisetra nataon’ny vadiny an’i Sendraniaina, ny zoma lasa teo. Renim-pianakaviana iray mipetraka ao Ambohimiandra. Tsy an’asa Ralehilahy vadiny. Tojo tsy fahasalamana ramatoa, kanefa mbola mitaiza kely, zaza vao herintaona. “Tsy nisy sakafo nohanina tao amin’izy ireo ka nangataka hody amin’ny ray aman-dreniny aloha i Sendra, izay mampinono”, hoy i Tsiory, anadahin’ilay lasibatra. Tsy nanaiky izany anefa rangahy vadiny ka raikitra ny ady tao an-tokantrano. “Efa matetika tsy an’asa io vadiny io, ka nikiry hody ihany i Sendra”, araka ny fanamafisan’ny anadahiny.
“Nikasi-tanana an’ity vadiny avy hatrany ralehilahy. Nobatainy ny vilany nisy rano mangotraka ka natondrany tamin’i Sendraniaina, renin-janany. Niantso vonjy tamin’ ireo manodidina ity farany. Tsy vitan’io, mbola nokendaina saika ho taperin’ilay vadiny ny ain’ity renim-pianakaviana ity. Nifamonjen’ny fokonolona i Sendra ka avotra ihany.”, hoy hatrany ny fijoroana vavolombelona nataon’ ny havany, nandritra ny fanadihadiana natao teny amin’ny hopitaly, omaly.
Manan-janaka lahy kely herintaona
Efa mahatsiaro tena ny lasibatra saingy mbola anatin’ ny fitsaboana tanteraka. Ankoatra ny fahavoazany, mijaly tsy afa-minono ny zanak’ity niharan-doza ity amin’izao fotoana izao. Noho ny ratra mafy vokatry ny fahamaizam-batan’ny reniny, tsy afa-manao inon’inona sy tsy misakafo i Sendra. Ny alahady maraina, roa andro taorian’ny voina, vao tonga teo am- fianakaviany ity renim-pianakaviana ity. Niditra tao amin’ny sampana vonjy aina avy hatrany izy. Mialoha izay, efa nentina nialana nenina tamin’ny mpanao ody may izy. Mbola “sérum” no solon-tsakafo ho an’ity vehivavy 21 taona noho ny vavany, tsy afaka misokatra.
Hitory ilay nahavanon-doza ny fianakaviana
Hitory ny nahavanon-doza ny fianakavian’i Sendraniaina. “Tsy hanaiky ary tsy hipetraka fotsiny satria tsy rariny izao zava-mihatra amin’ny anabavinay izao”, hoy i Tsiory, anadahiny. Araka ny fanamafisan’ ity farany, efa fanaon’ilay lehilahy ny mikasi-tanana an’i Sendra. “Tokantrano fihafiana ka niaritra tao izy saingy tsy zakany intsony taty aoriana”, hoy ny anadahiny. Miantso ny fitondram-panjakana sy ireo tomponandraikitra misahana ny herisetra ao an-tokantrano hijery ifotony izao tranga izao ireo fianakaviany.
Henatra anatrehan’ny fiarahamonina
“Adinon’ilay lehilahy vadiny ny fifankatiavana teo amin’izy roa satria nafana loatra ny hatezerany”, raha ny nambaran’ny manam-pahaizana manokana momban’ny fitsaboana saina etsy Anjanamasina, Dr Nambinintsoa Andrianarison. “Mety henatr’ ilay lehilahy vadiny eo anatrehan’ny manodidina ny hamela ireo vady aman-janany hody ka nahatonga azy nanaonao foana”, hoy izy. Azo sokajiana ho fotoana nanararaotan’ io lehilahy vadiny io hanehoana ny tsy fitiavana ilay vehivavy intsony koa anefa ilay herisetra.
Hisorohana izany, nomarihiny fa mila mivonona amin’ ny rehetra ny tanora vao tokony hiditra anatin’ny tokantrano. “Mananika ny faha-25 taonany mahery vao tokony hiroso amin’ny sehatry ny fanambadiana ny tanora”, hoy ity mpitsabo ity. Afaka handinika sy hamakafaka lalina ny fanapaha-keviny ny mpivady.
Tsiferana Randriatiana