Ady amin’ny valala ao Ihorombe : tafatsangana ny kaomitim-paritra

Nanomboka omaly avy hatrany ny ady amin’ny an­diam-balala nataon’ireo tomponandraiki-panjakana ao Ihorombe. Noho ny fahatsapan’izy ireo ny voka-dratsy ateraky ny fisian’io biby mamotika fambolena io, natsangana ny Komitim-paritra miady amin’ny Valala. Nitarika ny fivoriana « OMC élargie » mahakasika ny valala ny lehiben’ny prefektiora sy ny governora ao Ihorombe, ny talata 7 desambra teo. Navoitra tamin’izany, ny ezaka sy ny ady atao manoloana ny valala izay mateti-pitranga ao an-toerana. Hisy, arak’izany, ny fidinana ifotony ataon’ireo tomponandraikitra ireo. Hamafisana ny famongorana ny andiam-balala. Anisan’ny mamotika ary mitarika fatiantoka ho an’ireo mpisehatra amin’ny fambolena ao an-toerana ny valala.

Tsiferana R.

Partager sur: