Anisan’ireo hilatsaka hofidiana, ao anatin’ny komity mpitantana ny Africa Rugby Rakotomalala Marcel, filohan’ny Federasiona malagasy ny baolina lavalava. Araka ny vaovao nambaran’ity farany ity teny Ankorondrano, omaly, dia any Cap Town Afrika atsimo, ny 18 martsa ho avy izao no hanaovana ny fifidianana.
Tsy hirotsaka ho filoha mpitantana ny Afrika rugby ny tenany, saingy mbola hidinika tsara kosa ny toerana izay tiany horaisina eto anivon’ny kaontinanta afrika nina. Nomarihiny fa anisan’ny porofo iray manamarina ny fijoroana ara-dalan’ny federasiaona izao fahafahana mandray anjara amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao. Nilaza izy fa efa niarahaba azy avokoa ny filohan’ny federasiona, mpikambana ao amin’ny Africa Rugby, nandritran’ny fivoriambe izay natao tany Ghana.
Raha lany ho isan’ireo mpitantana ao amin’ny komity izy na “Comité exécutif” dia, mbola manohy ny asan’ny maha filohan’ny Malagasy Rugby azy. izay lany ho filohan’ny Africa Rugby no tsy maintsy mametra-pialana amin’ny firenena izay nahalany azy, araka ny sata mifehy azy ireo.
Amin’ny faha-18 martsa ihany koa no hanaovana ny fivoriamben’ny Afrika Rugby.
Fitia (Mpianatra asa)