Nifanehatra tamin’ny polisy misahana ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika (SAG) teny Anosizato Atsinanana, afakomaly ny jiolahy iray tratra namaky trano. Nandritra ny fotoana nanaovan’ny polisin’ny SAG fisafoana teny akaikin’ny farmasia iray eny Anosibe no nahatrarana ity jiolahy ity. Nisy renim-pianakaviana iray tonga nampandre ny polisy momba ny fisiana asa ratsy. Araka ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana, nandeha nivoaka izy tamin’io fotoana io ka tamin’izay no niditra tao an-tranony ilay jiolahy (nanomboka ny maraina izy no tao) ary nohidiany avy any anatiny ny varavarana.
Tsy afaka niditra tao an-trano ilay renim-pianakaviana satria mihidy ny trano. Tonga teny an-toerana ireo polisy nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ilay renim-pianakaviana. Rehefa tsy nanaiky namoha ny trano avy ao anatiny ilay olon-dratsy, novakiana ny varavarana. Nisy ny fisavana ny trano, hita nisitrika tao anaty armoara ity jiolahy ity.
Jean Claude