Asa fanaovan-gazety : ho avy indray ny karatra maha matihanina

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fanaterana ireo antontan-taratasy ho an’ireo te hisitraka ny karatra maha matihanina eo amin’ny asa fanaovan-gazety, raha ny nambaran’ny mpitondra teny eo anivon’ny OJM Ambohi­dahy, omaly. Manomboka ny 9 febroary hatramin’ny 30 Marsa hoavy izao ny fanaterana izany eny anivon’ny trano foibe OJM, Ambohidahy.
Maro ny fepetra takiana ho an’ireo mpanao gazety te hisitraka izany. Anisan’izany, ny diplaoma, sary tapaka, kopian’ny karapanondro, ny fanamarinan-kasa avy amin’ ny orinasa ary ny fananana traikefa nandritra ny telo taona niasana teo amin’io sehatr’asa io. Tiliana manokana ireo mpanao gazety efa niasa ela teo amin’ity sehatr’asa ity. “Ampirisihana ihany koa anefa ireo mpanentana amin’ny haino aman-jery, mpianatra vao nahavita fianarana izay mikasa hiasa eo anivon’ny sehatr’asa” hoy ny tompon’ andraikitra. Tanjona ny hampiavaka sy hahamatihanina ireo mpanao gazety rehetra eto amin’ny Nosy, hoy hatrany ny tompon’andrai­kitra teny an-toerana.
Tsiahivina fa mahatratra 20.000 Ariary ny sara fanaovana sy fikarakarana izany. Miisa 1509 isa ireo mpanao gazety nisitraka izany tamin’ ny andiany voalohany. Miisa 392 ireo andiany faharoa. “Entanina ny mpanao gazety te hisitraka izany mba hoavy hanatitra ny anton-taratasy eny anivon’ny trano foiben’ny OJM eny Ambohidahy” hoy ny mpitondra tenin’ny OJM. Marihina fa andiany fahatelo ny amin’ity taona 2023 ity. Vinavinaina amin’ny 13 jona izao ny fizarana izany karatra vaovao izany.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: