“Tsy mihambahamba izahay eto amin’ny Ceni miantso ny rehetra hanao fanaraha-maso ny lisitry ny mpifidy. Izay ihany no antoka azo ifotorana amin’ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny fangaraharana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny filazan’ny antoko politika sasany fa tsy mangarahara ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Tsy vitan’ny fitenenana ambony latabatra na fanambarana ny fiantohana ny fahamarinan’ny lisitry ny mpifidy, fa miankina be dia be amin’ny finiavan’ny tsirairay amin’izay fanaraha-maso izay.
Misy ny fe-potoana nomena fa rehefa vita ny fandrafetana vonjimaika ny lisi-pifidianana izay tsy ho ela, anentanana ny rehetra ny fanaraha-maso. Eo ny olom-pirenena, ny firaisamonina sivily, ny antoko politika… Mety misy ny fahadisoana amin’ny fanoratana anarana, ohatra, na olona tsy tokony ho voasoratra nefa tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana… Anjaran’izay mahita amin’ny alalan’ny fanaraha-maso no manao fanamarihana mba hahazoana manarina izany.
Zava-dehibe ny ezaka amin’ny fanisana mpifidy
Misy koa ny filazana fa mandray anaran’ny mpifidy eny an-dalambe na eny rehetra eny ny mpanisa mpifidy. Ankoatra ny tany an-tokantrano izay nifarana ny 31 janoary, ny fanatonana fokontany no fanisana mpifidy. Tsy voatery ho biraom-pokontany izany, fa mety ho tranompokonolona fa tsy manana birao ny fokontany; na mety eny ambodikily, ohatra, arakaraka ny fomba amam-panaon’ny faritra.
“Ny ezaky ny mpanisa mpifidy sy ny olom-pirenena no zava-dehibe mba hahazoan’ny olom-pirenena misoratra anarana ho anatin’ny lisitry ny mpifidy”, hoy izy. Tsy adian-kevitra lava ny hoe: tao amin’ny tranompokonolona sa tany amin’ny biraom-pokontany sa teny ambodikily ny fisoratana anarana?
R. Nd.