Fanadinana bakalorea: misokatra ny fisoratana anarana

Manana roa volana ma­hery hisoratana anarana ireo mpianatra hanala fanadinana bakalorea eto Madagasikara. Misokatra nanomboka ny 6 fe­broary ka hifarana amin’ny
07 Aprily hoavy izao izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony, omaly. Voakasik’izany avokoa ny fanadinana bakalorea amin’ ny ankapobeny sy ny bakalorea teknika.
Manomboka amin’ny 17 ha­tramin’ny 21 jolay izao kosa ny fotoanan’ny fanadinam-panjakana bakalorea ankapobeny sy teknika tapany voalohany. Mitohy ny 24 hatra­min’ny 27 jolay 2023 kosa ny tapany faharoa ho an’ny tekinika. “Tsara raha karaka­raina dieny izao ny antontan-taratasy ho an’ny mpianatra manala fanadinana” hoy ireo mpianatra nanontaniana. “Mba hialana amin’ny fahadisoana eo amin’ny fotoana satria ela ela ihany ny fikarakarana taratasy amin’izao” hoy hatrany izy ireo. “Homa­nina dieny izao koa ny saina mba ho vonona hiatrika ny fanadinana” hoy ny sasany.
Misy ny fahasamihafan’ny saram-pisoratana anarana eny anivon’ny sekoly tsirairay avy eny raha ny tatitra voaray ha­trany. Mahatratra 15000 Ariary ny saran’ny fisoratana anarana ho an’ireo kandida miankina amin’ny sekoly. Mahatratra 50.000 ariary izany ho an’ny kandida tsy miankina. 100.000 Ariary kosa ho an’ireo mpianatra vahiny sy avy any ive­lany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: