Anatin’ny fametrahana ny rafitra manerana ny Nosy ankehitriny ny « Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoelina » na ny GMMAR, tarihin’ny filoha nasionaliny, Atoa Ranarison Maminirina na i Mamy Jô. Taorian’ny tany amin’ny faritany, anatin’ny mandrindra sy mametrapetraka ny eto amin’ny Faritra Analamanga ny fikambanana. Nisantarana izany ny fandraisana anjara tamin’ny fambolen-kazo nokarakarain’ny TGV Analamanga sy ny fitaleavana misahana ny sosialy sy ny politika na ny DASP eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika, afakomaly teny Masindray. «Anisan’ny fikambanana, mangataka ny hanaovana angaredona ny fomba hampandaniana indray ny filoha am-perinasa izahay. Mitaky firaisankina sy fitovizan’ny tadin-dokanga ny samy mpanohana ny toe-draharaha iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy mifanome tanana, tsy misy afaka ny hilaza fa mahavita tena irery izany intsony amin’ny ady hatrehana. Izay no mahatonga anay mandray anjara mavitrika hatrany, na aiza na aiza eto Madagasikara.», hoy ny filohan’ ny fikambanana Atoa Mamy Jô.
Sosialim-bahoaka
Ankoatra ny hetsika politika, izay anisan’ny fototra ijoroan’ ny fikambanana. Mandray anjara mavitrika amin’ny sehatra sosialy ny GMMAR, amin’izao fotoana izao. Maro ny raiamandreny, miara-misalahy amin’ny fikambanana. Anisan’izany ny reny mpiahy ny fikambanana, Ramatoa Randrianarisoa Riana. « Tsy azo atao ambanin-javatra ny lafiny sosialim-bahoaka. Antony iray, mampahomby amin’ ny lafiny politika ny fijerena manokana ny vahoaka. Izahay GMMAR, dia manaraka ny lamina apetraky ny Filoham-pirenena. Mazava ny zotra arahana, miaraka aminy fa ho laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka. Mazava ho azy, mitondra ary mbola hitondra ny azonay atao izahay, ho an’ny mpiray tanindrazana mba ahafahana mandresy lahatra amin’ny fa-nohanana sy fampandaniana ny filoha », hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny fikambanana.
« Marihina fa ankoatra ny fanampiana vonjy rano vaky sy ny hamehana, dia manana tetikasam-pampandrosoana maro ny GMMAR, arakaraka ny hodidina any amin’ny faritra sy ny filan’ny mponina any ifotony. Izay rahateo no mahatonga anay tsy manavaka fa misokatra amin’ ny fiaraha-miasa sy ny ankolafin-kery rehetra. », hoy hatrany ity mpanao politika ity.
« Tanjona tokana ny an’ny GMMAR, amin’izao fotoana izao dia ny fampandaniana ny filoha am-perinasa indray amin’ ny fotoam-pitondrana manaraka », hoy i Mamy Jô, namarana ny resaka.
Miantso ny mpanohana ny filoha ankehitriny, tsy hifanavakavaka izy .
Randria