Hafana indray ny faran’ny herinandro amin’ity indray mitoraka ity… tafiditra indrindra amin’ny fankalazna ny « Fetin’ny mpifankatia »… Hitondra ny mozikany etsy amin’ny Le Zoma Faravohitra i Mbossa sy i Moina, ny zoma 10 febroary izao, manomboka amin’ny 7ora sy sasany hariva. Hira anisan’ny ahafantarana azy ireo ny “Ho an’ialahy” izay efa eny am-bavan’ny mpankafy ny mozika malagasy. Efa maro rahateo ny fiakarana an-tsehatra nataon’izy ireo.
“Fampisehoana natao hanomezana fahafaham-po ny rehetra, indrindra ny mpifankatia izy ity… Hibahana ampaham-potoana maro ny hiram-pitiavana… Seho anisan’ny tsy manampaharoa sady fotoana hihaonan’ny mpitia Mbossa sy Moina”, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny ivontoerana.
Tsy hijanona eo fa mitohy hatrany ny fampisehoana ataon’ireto mpanakanto ireto, raha ny filazany. « Anisan’ny tanjonay rahateo ny fampihaonana ny mpanakanto amin’ireo mpitia azy ireo sy ny sanganasany ny tahaka itony. Manamafy izany ny fifandimbiasana eo amin’ireo mpanakanto manafana ny sehatra eny an-toerana », hoy hatrany ny tompon’andraikitra etsy amin’ny Le Zoma Antaninandro Faravohitra.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto