Nihaona ny masoivoho japoney, Abe Koji sy ny minisitra misahana ny indostria, varotra sy fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny 7 febroary 2023. Nifantoka momba ny lavanila, ny amin’ny tetikasa indostria isaky ny distrika (Odof), ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny dinika nifanaovana. Momba ny lavanila, notsiahivin’ny minisitra ny fanavaozana ny fihariana. Ny tolotra ho an’ny mpividy sy ny tsena.
Hatramin’izay dia i Frantsa sy Etazonia, hoy ny minisitra, no tena mpividy lavanila avy aty Madagasikara. « Misokatra ho an’ny rehetra anefa ny tsena, ary miantso ny mpandraharaha japoney izahay hividy lavanila mivantana aty aminay », hoy ny minsitra. 50 na 60 t fotsiny ny lavanila vidin’ny Japoney fa azo ampitomboina avo10 heny izany.
Nohazavain’ny minisitra fa anjaran’ny minisitera voalohany ny miaro ireo mpamboly. Io vidiny farany ambany noferan’ ny fanjakana io mba ho fidiram-bola ambany indrindra. Niangavy ny minisitra mba hametrahan’ny Japoney laboratoara manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ho an’ny lavanila eto Madagasikara, ho fanomezan-toky ny mpanjifa.
Noresahina ihany koa ny fampiroboroboana ny indostria madinika sy ny angovo amin’n tetikasa Odof. Tanjona, ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana. Nanome toky ny masoivoho japoney fa hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny alalan’ ny Jica (Agence japonaise de coopération internationale) sy miantso ireo mpandraharaha japoney, indrindra ny hisian’ny fifanarahana hiaro ny fampiasam-bola ataon’i Japoney eto Madagasikara.
Ndrina