Tsy mipetra-potsiny, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa nampanantsoin’ny solontena maharitry ny Pnud, eto amintsika, ireo iraka avy amin’ny birao foiben’ny FFKM, ny alatsinainy teo, teny Andraharo. Tsy nisy nipika ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Na izany aza, voadinika ny fiainam-pirenena ankapobeny, indrindra ny lafiny politika. Anisan’izany ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana. Eo koa ny momba ny fihaonambem-pirenena hokarakarain’ny FFKM.
Nitohy amin’ny fivorian’ny lohandohany eo anivon’ny fiangonana izany, afakomaly, nandinihana ny fihaonambem-paritra iantsoana ny solontena avy amin’ny faritany FFKM, miisa 35. Hotanterahina ny 29 hatramin’ny 31 marsa izao eto Antananarivo izany. Hitohy amin’ny fihaonambem-paritra ny volana mey izao izany ary hofaranana amin’ny fihaonambem-pirenena, hotarihin’ny FFKM, iantsoany ny zanany rehetra ny volana aogositra izao.
Hivory ireo sampanasa rehetra
Mialoha izany, hatao ny faran’ny volana febroary izao ny fivorian’ny sampanasa rehetra eo anivon’ity rafitry ny fiangonana ity. Hiatrika izany ny misahana ny fiainam-pirenena, ny tanora, ny vehivavy kristianina, ny teolojia, ny misahana ny toeram-ponenana, ny eo anivon’ny fanabeazana ary ny sampanasa momba ny fampahalalam-baovao.
“Efa eo am-pandrafetana izany rehetra izany ireo tompon’andraikitra”, hoy ny loharanom-baovao.
Etsy andaniny, manatrika ny fampihaonan’ny Ceni, ireo mpisehatra amin’ny fifidianana hatrany izy ireo, amin’ny alalan’ny Andrimaso FFKM. Mandefa solontena hatrany izy ireo amin’izany ka anisan’izany ny fihaonana hatao min’ny herinandro ho avy io.
Synèse R.