Leo fahantrana… mazotoa mifidy !

Ohatrany hoe tsy mba misy zavatra mahafinaritra izany eny anivon’ny firahamonina malagasy, ankehi­triny ! Vokatry ny fahantrana, zary manaotao fahatany ny sarababem-bahoaka. Maro ny mamono tena, betsaka ny fametavetana ny maha-olona, very hasina ny aina. Bai­koin’ny vola sy ny tsy fisiana. Manahi­rana na ny mire­saka azy aza ! saingy tsy maintsy vakiana bantsi­lana.
Taiza hatrizay no nisy reny niteraka mamokatra horon­antsary mamoafady amin’ny zanaka nateraka vao dimy taona ? Taiza no misy hoe mpivady miray tsikom­ba­komba hanolana ny zanaka vavy mbola virijiny ? Firifiry ny mpi­vady mahasahy mifamono sy mifandratra ? Santio­nany amin’ny zava-misy amin’ny tontolo andavanan­dron-dramalagasy ireo. Tongo-bakivaky sady maha­rary no maha­menatra. Iza anefa no homen-tsiny ?
Matetika ny mpitondra sy mpanao politika, ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny no hiangonan’ny rihitra. Ampangaina ho tompon’antoka. Mety ho marina izany, saingy tsy azo hodian-tsy hita fa ny vahoaka ihany no mame­traka sy misafidy azy ireny. Dieny izao ary ! mila mihazakazaka isika, mandeha misoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Raha leo fahantrana sy kiriko amin’ny zava-miseho… mandehana mifidy ! Midika fa tsy mani­lika andraikitra amin’ny hafa isika rehefa maneho ny safidintsika amin’izay hitondra antsika. Efa nohalavain’ny Ceni rahateo ny fahafahana misoratra anarana.
Anjara biriky entin’ny olom-pirenena tsirairay avy, ho amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina misy azy ny fandehanana mandatsa-bato sy milatsaka ho fidiana. Tsy mpitazana fotsiny fa mpiantsehatra fototra amin’ny famahana ny olana isan-karazany. Anisan’ny fanabeazana antsika ho olom-pirenena vanona rahateo ny fahavitrihana amin’ny fifidianana isan-tsokajiny. Fepetra tsy maintsy hajaina, araka izany, ny fidirana anatin’ny lisitry ny mpifidy, ka tsy tokony ho tsinontsinoavina.
Alao hery aza, andao hilomay hisoratra anarana eny amin’ny fokontany. Anisan’ny antoka hisian’ny fanovana sy ny fanatsa­rana ny fiarahamonina misy antsika, ny fahaizana misafidy izay ho mpitondra.

r.r

Partager sur: