Malagasy Rugby: hanao lalao iraisam-pirenena maro ny Makis

Amin’izao taom-pilalaovana 2023 izao, hanatrika fihaonana iraisam-pirenena maro ny Makis an’i Madagasikara. Miisa dimy ireo ekipa Makis hanao izany lalao izany, araka ny fanazavana nentin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby.

Miisa dimy ireo ekipa Makis an’i Madaga­sikara hanao lalao iraisam-pirenena, taranja Rugby, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity. Isan’izany ny Makis U20, ny 7 Makis vehivavy, ny 15 Maki Vehivavy, ny 7 Makis lehilahy, ny 15 Makis Lehi­lahy. Vaovao goavana, izay nam­pitain-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, tamin’ny mpanao gazety sy ny mpakafy rugby malagasy, teny Ankorondrano, omaly.
Araka ny vaovao, amin’ny volana aprily dia hiatrika ny lalao fifanintsanana hazahoana tapakilan’ny Mondial, izay atao any Kenya ny volana Jolay ho avy izao, ny Makis “Junior” U20. Amin’ny 23 aprily hatramin’ny 2 may, ny 7 Makis vehi­vavy no handray anjara amin’ ny fifaninanana “Challenge World Cup 2023”, izay atao any Afrika atsimo.
Marihana fa hianga amin’ ny 1 aprily ny mpilalao mala-gasy, mba hahafahan’izy ireo miomana tsara amin’izany fifaninanana izany. Tsara ny milaza fa vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Mala­gasy rugby sy ny Afrika atsimo rugby, no ahafahantsika mi­ainga aloha hanao fiofanana any Afrika atsimo.
Misy koa ny fifanintsanana hanaovana ny lalao olympika na “Jeux Olympiques”, izay atao any Tonizia, ny volana septambra ho avy izao. Amin’ ny 23 may hatramin’ny 1 jona 2023, ny XV Makis vehivavy no hanao ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Coupe du Monde ary fifanintsanana izay ho tompondakan’i Afrika. Lalao izay hotanterahina eto Madagasikara.Handray anjara amin’izany fifaninanana izany i Kenya, Afrika atsimo, Kame­ronina, ary i Madagasikara. Amin’ny volana oktobra no hanao ny lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny lalao Olympika, ny 7 Makis lehi­lahy.
Ny XV Makis lehilahy kosa dia hanao ny lalao fifanintsanana voalohany na “pré-qualification”. Lalao natao hiakarana amin’ny dingan’ny fifaninanana hiadiana ny fandraisana anjara amin’ny amboara eran-tany na “qualification pour la Coupe du monde”.
Marihana fa ilay “Coupe du monde” manaraka no resahana eto fa tsy ilay atao any Frantsa ny volana septambra ho avy izao. Ankoatra izay, ha­nomana ny lalaon’ny Nosy na JIOI 2023, izay atao eto amin­tsika ny Makis. Tsy izany ihany fa hisy koa ny fandehanan’ ny Maki sokajy U16 sy ny U18 hanatrika ny fandalovan’ny Mondial any la Reunion amin’ ity taona ity.
“Tanjona apetraka amin’ ity taona ity ny handraisan’ ireo sokajy taona rehetra amin’ ny lalao iraisam-pirenena” hoy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby.

Amboara federaly 1 «  XXL Top 20 Mada »

Hanomboka amin’ny 19 fe­broary ho avy izao ny fifaninanana amboara federaly 1 na XXL Top 20 Madagasikara. Ny hatsapaka na “tirage au sort” dia hatao eny amin’ny orinasa Star, ny zoma ho avy izao. Ankoatra izay dia tsy miankina amin’ny Federa­siona Malagasy Rugby, ny amboaran’ny filoha fa miankina amin’ny filoham-pirenena Malagasy, Rajoelina Andry. Tsiahivina fa, efa nandefa ny soso-kevitra ny hanaovana izany tany amin’ny filoha ny teo anivon’ny federasiona.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: