Miss Madagascar 2023: anatin’ny fanomanana ny mpikarakara

Efa vonona amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana ny mpikarakara ny Miss Madagascar 2023. Fanarahana ny fandaharan’asan’ny mpikarakara ny Miss World 2022 no anton’ny fahatarana raha ny nambaran’ny mpikarakara.

Mbola tsy fantatra mazava ny datin’ny fifaninanana hatramin’izao. “Ho tanterahina iray volana aorian’ny Miss World 2022 ny fifaninanana Miss Madagascar 2023.” Hoy Rakotoniaina Christelle, filohan’ny komity fanomanana ny Miss Madagascar na CNMM. Anton’izany, ho fisorohana ny fisian’ny mpanjakavavin’ny hatsaran-tarehy anakiroa amin’ny hetsika, hoy hatrany ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity.
Ny volana Mey 2023 izao no hanatanterahana ny Miss World 2022, raha ny fanambarana ofisialy navoakan’ny mpikarakara ity hetsika ity. Ny Miss 2022 izay tokony notanterahina ny volana no­vambra tamin’ny taon-dasa. Antony nahatonga ny fihemorana ny fahateren’ny fotoanan’i Karolina Bielawska, izay voafidy Miss World 2021. Araka izany vinavinaina ho any amin’ny volana jona any no hanatanterahina ny Miss Madagascar 2023, raha ny nambaran’ny mpikarakara no jerena. Izay voafidy eo indray no hisolotena an’i Madaga­sikara amin’ny fifaninanana Miss World 2023.
Mitohy hatrany ny fanomanana ny fifidianana nasionaly eto Madagasikara eo am-piandrasana izany. Efa nahavita ny fifantenana sy nahatonga ny anaran’ny solotenany avy, ny ankamaroan’ny faritra. “Mahaleo tena tanteraka ny komity isaky ny faritra amin’ny fanomanana sy fisafidianana ny solotenany. Tsy maintsy manomana ny solontenany hifanaraka sy hanaraka ny vina apetraky ny Miss World kosa anefa izy ireo. Ny vinan’ ny Miss World izay mifantoka amin’ny fiantrana tsy mitady tombony” hoy Rakotoniaina Christelle.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: