Mpianatra very finday: nifona tamin’ireo mpampianatra ny rainy

Niakatra filan-kevi-pifehezana teo anivon’ny sekoly Gallieni teny Andohalo i Vanessa. Tonga nifona tamin’ireo mpampianatra ny rainy. Nilaza ny tsy handray an’ity tovovavy ity ho isan’ny mpianatra intsony ny sekoly.

Niakatra filan-kevi-pifehezana teo anivon’ny sekoly Gallieni teny Andohalo i Vanessa, mpianatra very finday, omaly. Nana­trika izany ireo solontenan’ny mpampianatra EPS, ny chef CICSO, ny DREN ary ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Antony ny handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny raharaha. Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 3 ora tolakandro ny fivoriana.
Nifona teo anatrehan’ireo mpampianatra sy ireo tomponandraikitra tsirairay tonga teny an-toerana ny rain’i Va­nessa. Taorian’ny filan-kevi-pifehezana teo anivon’ny sekoly teny an-toerana. Nilaza izy fa hajanona ny fitoriana mba tsy hitaran’ny raharaha. Nohamafisiny hatrany fa tsy nieritreritra ny hitory olona ry zareo. Fa “pleinte” ho an’olona tsy fantatra fotsiny no natao. Antony, nahatonga azy nifona teo anatrehan’ny tomponandraikitra maro samihafa teny an-toerana. Nametraka fito­riana ho an’olo-tsy fantatra ity tovovavy very finday ity, raha ny fanazavan’ny polisy. Nano­nona anaran’olona ihany izy rehefa nanontanian’ny polisy. Voatonona tao ireo mpianatra miisa telo sy mpampianatra EPS iray.

Tsy handray an’i Vanessa ho isan’ny mpianatra intsony

Nilaza ny teo anivon’ny sekoly fa tsy handray an’i Vanessa ho isan’ny mpianatra intsony. Noho ity trangan-javatra ity. Efa nieritreritra ny tsy hianatra ao intsony koa moa izy rehefa nanontaniana. Mieritreritra ny ankamaroan’ ireo mpampianatra fa nisy fialonana teo amin’i Vanessa ka nahatonga izao tranga izao. Raha ny fantatra, atleta anisan’ny handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy ho avy izao ny iray tamin’ireo mpianatra voarohirohy. Anisan’ny tonga teny an-toerana nanazava izany ny coach iray. Manahy ny amin’ny mety hoavin’ity tovovovavy atleta ity izy raha hiakatra ny fitoriana.
Raha tsiahivina, very nandritra ny fotoanan’ny taranjam-panatanjahantena na “EPS” tamin’ny herinandro teo ny findain’i Vanessa. Finday avo lenta marika “i-phone 11 pro” io finday io. Nitory teny anivon’ny polisy avy hatrany izy. Ka naha voarohirohy ireo mpi­anatra miisa telo sy mpampianatra taranja EPS iray ireo.
Mbola hitohy androany ny fivorian’ireo tomponandraikitra ireo. Mba handraisana ny fanapahan-kevitra hentitra mikasika ity raharaha ity.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: