Orange sy AMN Ltd : manitatra ny tambajotra any ambanivohitra

Nifanaraka ny Orange Ma­dagascar sy ny AMN Ltd, omaly 8 febroary 2023, hanitatra tambajotra any ambanivohitra, izay misy mponina maherin’ny iray tapitrisa ivelan’ny nomerika hatramin’izao. Toerana 500 isa no kasain’ny Orange sy AMN hapetraka eny ambanivohitra. Ireo toerana ireo hahafahan’ny Malagasy mifandray lavitra, tsy voatery mifindra toerana any amin’ny tanàn-dehibe. Ma­nome ihany koa ireo tolotra isan-karazany ao amin’ny Orange, toy ny Orange Money.
Tosika ny ataon’ny Orange ho an’ny mponina any ambanivohitra, araka ny tanjona napetrany ho fampandrosoana ny any an-toerana amin’ny lafiny teknolojia sy amin’ny fikirakirana ara-bola.
« Mitohy ny asan’ny Orange Madagascar amin’ny fametrahana fotodrafitrasa any ambanivohitra mba tsy hitoka-monina. Izao fiaraha-miasa amin’ny Orange izao hahazoan’ny maro mampiasa finday sy mitondra fampandrosoana ho an’ireo olona ireo izay azo lazaina an­jorom-bala ihany hatramin’izao», hoy i Frédéric Debord, tale jeneralin’ny Orange Madagas­car.

10 taona ny fiaraha-miasa

10 taona ny faharetan’ny fiaraha-miasa farafahakeliny, hahazoan’ireo mponina tombontsoa ara-tsosialy, toekarena sy fanabeazana. Kasaina han­deha izany amin’ity taona 2023 ity.
« Tsotra ny tanjon’ny AMN Ltd, mba tsy hisy ho voahilika eo amin’ny fifandraisan-davitra. Faly izahay miaraka amin’ ny Orange mampiasa ny traikefanay sy malaky any ambanivohitra eto Madagasikara. Mety ny manitatra ny tambajotra Orange any ambanivohitra », hoy Michael Darcy, avy ao amin’ ny AMN Ltd. Efa nahazo tetibola hatramin’ny faran’ny taona 2023.
Toerana 700 izao no hiasan’ ny AMN Ltd toy izao miaraka amin’ny Orange any RDC sy Cameroun, ary ny fiaraha-miasa efa misy toy izany no atao eto Madagasikara. Mikara­kara fotodrafitrasa ny AMN ho an’ny tambajotra finday ampiasana aty Afrika manitatra ny any ambanivohitra, tsy misy atahorana.

Ndrina

Partager sur: