Randriamalala Robert Charly: “Mila miara-mientana hahatongavana amin’ny fifidianana ny rehetra”

An-dalana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni amin’izao fotoana izao. Aiza ho aiza? Maneho ny heviny ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie publique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid), Randriamalala Robert Charly: “Mila miara-mientana mba hahatongavana amin’ny fifidianana ny rehetra mba tsy hifanomezan-tsiny rehefa avy eo.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo firaisamonina sivily ny fanisana mpifidy amin’izao fanavaozana tan­teraka ny lisitra izao?

Randriamalala Robert Charly (-): Hatramin’izao, manakaikikaiky ny tanjona ihany ny fomba fiasa. Ni­farana tamin’ny 31 janoary ny fitetezana isan-trano, nanazava ny Ceni fa mbola misy ny karne fanisana mpifidy tavela any amin’ny toerana lavitra. Mbola misy olom-pirenena tokony hisoratra anarana eny amin’ny biraom-pokontany. Ny fitetezan-trano no nifarana, fa mitohy ny eny amin’ny biraom-pokontany. 9 675 000 mahery ny isan’ny mpifidy. Mahita izahay fa tena niasa mafy sy niezaka ny Ceni amin’ny fanisana mpifidy.
Tokony hifanome tanana ny rehetra. Tsy ho an’ny firaisamonina sivily ihany izay, fa ho an’ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana. Ny mpanao politika mirotsa-kofidina, ohatra, tsy ho voafidy, raha tsy manana mpifidy. Na inona firehan’ny mpanao politika, rehefa vonona hiatrika fifidianana: mazava fa ny fampidirina ny olona hifidy ny tena ao anatin’ny lisitry ny mpifidy no tanjona. Tokony hiara-mientana handresy lahatra izay tsy mbola ao anatin’ny lisitry ny mpifidy hisoratra anarana eny anivon’ny fokontany.

* Ary ny fiatrehana ny fifidianana?

– Mandeha ny fotoana. Tsy moramora ny mikarakara fifidianana. Raha afaka sivy na folo volana ny hanatanterahana azy, fa efa namoaka ny Ceni hoe eo anelanelan’ny 19 novambra ka hatramin’ny 19 desambra ny tetiandro, fa tapitra amin’ny 19 janoary 2024 ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Tokony ho efa hita soritra ny lalan-kizorana fanatanterahana fifidianana.
Be dia be ny fanomanana tokony hatao. Antso avo atao amin’ny mpamatsy vola, ohatra: aza atao takalon’aina ny fifidianana, na inona na inona tsy nilamina tany aloha. Raha vonona ry zareo efa mpiara-miombon’antoka hatramin’izay, tokony hampiana dieny izao ny Ceni amin’ny enti-manana manampy izay ataon’ny fanjakana amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana.

* Ahoana ny fijerinareo ny lazain’ny mpanao politika sasany hoe tsy azo antoka ny lisitry ny mpifidy?

– Raha tsy mandray an­draikitra na tsy manara-maso ny tena, tsy azo antoka ny zava-drehetra. Manan-jo ha­na­raka akaiky an’io ry zareo ary manana solontena ao anatin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) hanara-maso. Raha tena manao izay asan’izay ny mpanao politika, tsy misy antony ilazany hoe tsy azo antoka… Aleo ny vahoaka hifidy, eo isika mahita hoe tena azo antoka sa tsia ny lisitry ny mpifidy.
Ho anay mpanara-maso fifidianana, ny fiaraha-mientana sy fifanomezan’ny mpisehatra fifidianana rehetra no zava-dehibe. Tsy ny fanjakana na ny Ceni nametrahana ny fikarakarana fifidianana ihany no tompon’antoka, fa eo indrindra koa ny mpitarika olom-pirenena: firaisamonina sivily, mpanao politika, sehatra tsy miankina… Mila miara-mientana mba hahatongavana amin’ny fifidianana ny rehetra, tsy hifanomezan-tsiny rehefa avy eo. Manomboka amin’ny fandrafetana lisi-pifidianana izany.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: