Manodidina ny 1000 Ariary ny vidim-bary eny an-tsena. Voakasik’izany ny vary makalioka, ny vary gasy ary ny vary diste. Manodidina ny 160.000 Ariary ny iray kitapo eny anivon’ny “grossiste”. Anisan’ izany ny eny Anosibe. Manoloana izany, naneho ny heviny ny filohan’ny vovonan’ny olona miaro ny zon’ny mpanjifa, Rasolofoson Eugène, raha nanontaniana teny Anosipatrana, omaly.
Araka ny fanadihadiana, tsy mahatakatra vary amin’ny kilao fa amin’ny kapoaka ireo mpanjifa. Tsy mamerina 50 sy 30 ariary anefa ny mpivarotra fa soloiny vatomamy izany. “Milaza fa tsy manana madinika atao famerim-bola ireo mpivarotra ny antony ka mahatonga ny vidim-bary tafakatra ho 1000 Ariary” hoy ny fanazavany.
Tokony amidy 500 Ariary ny vary nafarana
Anaty fotoanan’ny maitso ahitra isika, fotoana anararaotan’ny mpandraharaha. Maty antoka ny tantsaha. “Midina ho azy ny vidim-bary nahitam-piakarana, raha toa ka raisin’ny fanjakana ireo vahaolana ireo” hoy ny fanazavany. Takin’izy ireo ny hamerenana ny vidim-bary tamin’ ny fotoanan’ny maintany. “Samy malagasy isika ka aleo mifampitsinjo”, “mba tsy hisian’ny olana sy ny tsy fandriam-pahalemana toy ny asa fangalarana” hoy hatrany izy. “Efa miezaka manolotra vahaolana eo anivon’ny fitondram-panjakana tomponandraikitra ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa” hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa tokony haparitaka erak’i Madagasikara ny vary nafaran’ny fanjakana. “Tsy vahaolana ny vary mitondra aretina sy mampangidihidy” hoy hatrany izy. Angatahan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny hanomezan’ny fanjakana vary tsara kalitao ho an’ny vahoaka Malagasy. Nohamafisiny fa tokony ho varotana amin’ny vidiny 500 Ariary izany. Mba hialana amin’ny fiakaran’ny vidim-bary eto Madagasikara.
“Tsy marina ny filazan’ny mpandraharaha sy ny mpamongadiny ,fa mahatonga ny vidim-bary miakatra ny faharatsian’ny lalana” hoy izy nanamafy.
Mino (mpianatra asa)