Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana ny talata teo i Haja maître na i vazaha sy i Rija, isan’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’i Iarisy. Voampanga ho namono ity farany. Naiditra am-ponja vonjimaika tao Ankazobe izy roa lahy taorian’ny fampanoavana. Voasambotra ny asabotsy lasa teo tany Manerinerina sy Ambohitromby izy ireo. Nisy dahalo tratra tao an-toerana ka hita tao anatin’ny findainy ireo hafatra nifampizarainy, hoy ny zandarimaria. Tra-tehaka nanaraka izay izy roa lahy. Tsiahivina fa miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja ihany koa ny sefo fokontany ao Mandriambero, kaominina Mahavelona rehefa natolotra ny fampanoavana andro vitsy lasa izay. Anisan’ ireo nampiantrano an’ilay jiolahy raindahiny voalaza etsy ambony izy ity tamin’ny fotoan’androny. Tsy vitan’izay fa mbola niray tendro tamin’ ireo mpanao fanafihana ao Ankazobe. Ankehitriny. Efa manodidina ny 20 isa ireo jiolahy naiditra am-ponja ao
an-toerana taorian’iny vono olona mahatsiravina iny. Misy ireo lavon’ny mpitandro filaminana, ao koa ireo nalefa any am-ponja. Tsiahivina fa olona 32 isa ireo maty sy nodorana tao an-tranony tao Ambolotarakely Ankazobe. Nisy tamin’ireo maty no zaza amam-behivavy. Ao koa ireo avotra saingy mitondra takaitra mandra-maty.
Henintsoa H.