Voasambotry ny polisy avy eo Atsimondrano ny roa lahy mpidoroka rongony tao amin’ny fokontany Ambohimanatrika, ny harivan’ny talata teo. Noho ny fitarainan’ny mponina nanao hetsika fidinana ifotony teny an-toerana izy ireo. Mitarika ireo tanora eo amin’ny manodidina izy mirahalahy ireto ka miafara amin’ny fanaovana asa ratsy izany. Tra-tehaka teo amin’ny toerana fidorohany niaraka tamin’ny fonosana rongony izy ireo. Natao fanadihadiana izy roalahy, mialohan’ny hitondrana azy eny anatrehan’ny fampanoavana.
Tsiferana R.