Ambohimahasoa : mpitandrina roa mifampitory

Mipaka hatrany amin’ny fa­ritra ny adin’ny mpitantana fiangonana Jesosy Mamonjy amin’izao fotoana. Ny pasitera ao Ankafina Tsarafidy, dist­ri­kan’Ambohimahasoa indray no nifampitory ny alatsinainy teo. Nivory tsy ara-potoana noho izany ireo mpikambana ao amin’ny OMC ao amin’ny dis­trikan’Ambohimahasoa. Ni­ta­ri­­ka izany ny lehiben’ny distrika ao an-toerana, omaly. No­di­ni­hana nandritra izany, ny fitoriana napetraky ny mpitandrina vaovao voatendry hitantana ny fiangonana ao an-toerana. Ny pasitera nitondra ny fiangonana teo aloha io toriany io. Ity farany izay tsy manaiky hiala amin’ny toerany. Raha tsiahivina, nisy ny fanendrena ity mpitory ho mpitandrina ny fiangonana Jesosy Mamonjy ao Ankafina Tsarafidy, ny taona 2022 saingy tsy nanaiky niala teo amin’ ny toerany ny toriana. Na­me­traka fitoriana eo anivon’ny distrikan’Ambohimahasoa io mpitandrina vaovao io satria tsy vitan’ny tsy miala amin’ny toerana ilay toriana fa manimba ny fitaovam-piangonana iha­ny koa. Efa nandray fepetra hanakatonana ny fiangonana ny eo anivon’ny distrika ao an-toerana saingy mitsipaka izany ilay mpitandrina teo aloha.

Tsiferana R.

Partager sur: