Ambohimanatrika : roa lahy tratra nifoka rongony teo akaikin’ny EPP

Mirongatra ny fidorohana zava-mahadomelina eny amin’ iny faritra Atsimondrano iny. Voasambotry ny polisy ao amin’ny commissariat central Atsimondrano ny lehilahy roa malaza ratsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sady manendaka ihany koa.

Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, naharay fitarainana matetika hatrany ny polisy ao Tanjombato amin’ny afi­tsok’ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Mandray zava-mahadomelina avokoa ny ankamaroan’ireo tanora amin’iny faritra iny. Fantatra fa matetika ny fidorohana izany no mitarika ireo tovolahy sasany hanaotao foana ka hivadika hanao asan-jiolahy. Nidina haingana teny an-toerana ny polisy ka hita teo am-pifohana ny lehilahy roa tao amin’ny fokontany Ambohi­manatrika teo akaikin’ny EPP. Nilaza izy ireo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa mandray zava-mahadomelina toy izao hatrany rehefa hanao ny asa ratsiny. Mbola nahitana rongony rarany rahateo teny amin’izy ireo nandritra ny fisamborana nataon’ny polisy.

J.C

Partager sur: