Antoko Tim : “Hiaraha-manomana ny fifidianana”

“Aoka tsy omanina irery ny fifidianana. Andao hiara-manomana ny fifidianana ny mpiantsehatra rehetra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Rina Andriamasi­noro, teny amin’ny Ceni, Alarobia, afakomaly. Taorian’ ny fihaonan’ny antoko tamin’ny birao maharitry ny Ceni no nanaovany ny fanambarana. Mba hialana ny mety ho olana rahampitso sy rahafakampitso ny amin ’izay fifidianana fiara-manomana izay, araka ny nambarany.
”Raha tsy mahazo ny fa­hatokisan’ny vahoaka ny fifidianana hatao, tsy mahazo ny ara-drariny ny fitondrana ho avy eo. Toy izany koa raha mbola filohan’ny Repoblika voafidy amin’ny taham-pahavitrihana amin’ny fandraisana anjara vitsy no ho avy eo. Hita ny vokatr’izay: na ny mpamatsy vola sy ny mpiara-mi­ombon’antoka rehetra aza, tsy hatoky izay fitondrana ho avy eo. Hiteraka olana amin’ny fampandrosoana hatrany izay.”, araka ny nambarany.
Anisan’ny tolo-kevitry ny antoko ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. “Nankato ny satan’ny Vondro­na afrikanina (UA) sy ny Sadc isika, maninona no tsy manara-penitra amin’ny fikarakarana fifidianana? “, hoy izy.

Fifampidinihana

Narahin’ny fanambaran’ny antoko izany, omaly ny amin’ny hifanakalozan-kevitra mom­ba ny tetiandro-pifidianana, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Eo koa ny mangarahara eo amin’ny fom­ba fiasa mba hadio ny fanavaozana ny lisi-pifidianana.
Niantso ny Ceni koa ny Tim hanatanteraka ny sehatra ifampidinihana, ato anatin’ny fotoana fohy. “Hipetrahan’ny fitoniana manoloana ireo ahiahy miseho lany amin’izao fotoana izao ka hametrahana tontolo manodidina sy milamina, mialoha ny fifidianana izany”, hoy ny Tim.

R. Nd. sy Synèse R.

Partager sur: